3A_16: Ry Bitikako, ianao izay eo amin’ilay làlana mitondra anao amin’ny hafenoin’ny Fitiavana, dia tsy maintsy ianao, isan’andro, hiditra lalindalina ao anatinao, mba hahitanao ao ireo harena izay nafeniny tao tamin’ny fotoana nahariany anao toy : ny FINOANA tsy misy fetrany amin’ny Rainao any an-Danitra ; ny FAHATOKISANA tanteraka Azy ; ny FANANTENANA ambony dia ambony ; ny FITIAVANA mitombo sy mihavao amin’ny alalan’ny fisokafan’ny fonao.
Làlana mitondra anao amin’ny hafenoin’ny Fitiavana

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email