2B_20: Anaka, satria ny Fitiavana dia tia anao, dia amin’ny alalan’izany ihany no hatonga anao ho olona feno Fitiavana. Ireo izay tsapanao fa mifanohitra amin’ny Fitiavana, dia omeo ny Famindrampon’ny Ray mba hanovàny azy ho Fitiavana. Mianàra mijery izay tsara ataon’ny Ray amin’ny hafa, toy izay, mijery ireo tsy fahombiazany sy ireo hadisoanay.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Hatonga anao ho olona feno Fitiavana

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ny fahazavana marina

3B_12: Ry bitikako, ho fantarao fa eo amin’ny fahazavana marina ianao raha afaka manaiky ny tenin’Andriamanitra rehetra sy ny fampianaran’ny Fiangonana. Ny Fahafatesako no nanafaka anao tamin’ny hadisoanao ary ny Fitsanganako tamin’ny maty no manambara anao fa Izaho no Mpamonjy anao. Sambatra ianao miditra ao anatin’izany tontolon’ny Fahazavana izany ka hahatonga anao mitombo miraiki-pitia mandrakariva ao amin’ny Fitiavako. Tiako ianao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ny làlana hitondrana ny fanahy iray amin’Andriamanitra

1F_23: Anaka, ny làlana hitondrana ny fanahy iray amin’Andriamanitra, dia ny làlan’ny fanekena, ny famelan-keloka, ny famindram-po ary ny Fitiavana. Izany no làlana tokony mahazatra anao… Atolory ny Ray ireo sakana izay misy eo amin’io làlana io, mba afahanao mandeha am-pahalalahana amin’io làlana io.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Zavatra iray ihany no tena manandanja

1C_32: Anaka, mbola tsy takatrao tsara ihany fa zavatra iray ihany no tena manandanja : dia ny fifandraisam-pitiavana amintsika izay tokony hitombo ka ho lasa tsapanao mihintsy, na dia ao anatin’ireo toe-javatra mikorontana ivelany aza. Avereno omena Ahy tsikelikely, izay rehetra mitranga aminao, ireo izay tediavinao ho raisina an-tànana, mba ho afaka hitodika amin-kalalahana aty Amiko Tomponao mandrakariva ny fonao,
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Raha tsy Andriamanitra dia tsinontsinona

1F_38: Anaka, mianàra manolotra ny zavatra rehetra eo ampelan-tànan’ny Ray, mianàra matoky Azy amin’ny zavatra rehetra… Raha tsy Andriamanitra dia tsinontsinona ny olona. Izy irery no Mahefa. Ekeo ny Fitiavany. Tiako ianao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Misokatra handray Ahy ny fonao

1E_13: Anaka, misokatra handray Ahy ny fonao, ary Izaho, miondrika manatona anao tahaka ny reny miondrika eo amin’ny fandrian-janany kely, ka hamalifaly azy. Mba tiako ianao !
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Mangalaha tsirony manandrana

1C_10: R’ilay Bitikako, mangalaha tsirony manandrana ny Fitiavako ka tsikelikely, dia hotonga amin’ny fifandraisam-po Amiko ianao, na inona na inona iainanao eo ivelany. Hatsapa fahafenoana mandrakariva ianao ary ho ao anatin’ny firavoravona.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Amin’ny alalan’ny fandraisana ireo sakramenta

1F_14: Anaka, mandray fahasoavana betsaka araka izay omby azy ny fonao. Eo anoloako, ao amin’ny fivavahana, amin’ny alalan’ny fandraisana ireo sakramenta, indrindra ny Fampihavanana sy ny Eokaristia, dia misokatra ny fonao ary tonga afaka mandray bebekokoa.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ametrahanao fitokisana

3A_14: Ry Bitikako, rehefa misy aingam-panahy ao anatinao manosika anao hanatona na hiantehatra amin’ny olona iray na olona maro, dia tsy amin’izy ireny no ametrahanao fitokisana fa amin’ny Fitiavan’ny Ray izay hanome tolo-tsaina azy ireo mba hitantana anao tsara. Notsinjarain’ny Ray ireo Fanomezany sy ireo fanomezam-pahasoavany (fahalalana sy fahendrena) amin’ny olona maro, ary ao anatin’ny planim-pitiavany dia tiany ny handalo amin’ny olona mba hatanteraka ny Planiny.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ireo fahasahirananao rehetra sy ireo fijalianao

3B_06: Ry bitikako, ireo fahasahirananao rehetra sy ireo fijalianao rehetra dia napetrako eo amin’ny làlanao mba hitondra anao lalindalina kokoa ao anatin’ny Fitiavana. Miparitaka amin’ny heriny rehetra aoanatin’ny olona voadio ny Fitiavana. Ny fanadiovana dia arahana faharavoravoana be mandrakariva, satria ny fanadiovana dia mampanakaiky anao an’ilay Mpahary anao sy Andriamanitrao. Fa rehefa tena akaiky Azy ianao dia tena hahazo ny fiadanam-pony, ny fifaliany ary ny Fitiavany.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany