facebook live
Tous les Mardi, jeudis
et vendredis à 12 : 30 HAE.
Votre dose d'amour
quotidienne!

Tiako ny tonga mamonjy anao

1C_09: Ry mahantra keliko, tiako ny tonga mamonjy anao, tahaka ny fitiavanao mandeha mamonjy ny iray amin’ireo zafikelinao, mba handray azy eo an-tsandrinao, mba hamihina azy eo an-tratranao sy mba itenenao azy hoe : aza matahotra, tia anao i Dadabe/ Nenibe. Eo Aho ary miaro anao.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Mandrosoa ao anatin’ny finoana madio

1D_14: Anaka, mandrosoa ao anatin’ny finoana madio, aza mitady hahatakatra izay hitondrako anao. Ho Anao, zavatra iray ihany no manandanja indrindra : ny fanaikenao hotantànana, ny fanaikenao ho fehezin’ny Fitiavako. Mivonona tsara mihaino ireo olona apetrako eny amin’ny làlanao eny sy mihaino ireo tolon-tsaina avy aty Amiko… Tena tiako ianao! Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Te hikikiaka aminao ny Fitiavako Aho

1A_39: R’ilay Bitikako, te hikikiaka aminao ny Fitiavako Aho. Ekeo fa tiako ianao. Tsy fantatrao ny halehibeazany, ny aavony, ny sakany ary ny alalin’ny Fitiavako. Ny Fitiavako ny tsirairay aminareo Zanako eto an-tany dia tsy manam-petra. Mananaraka azy tsirairay Aho mba hilazako sy mba hatsapany ny Fitiavako.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Omeo Ahy ny enta-mavesatrao

1F_05: Anaka, omeo Ahy ny enta-mavesatrao, ho hitanao fa maivana ny jiogago. Raha mba fantatrao ny Fitiavako anao, dia ho tianao tahaka ny naharian’ny Ray anao ianao. Manandanja ianao eo imasoko… Te hiresaka amin’ny fonao Aho. Mihainoa Ahy mandrakariva. Mila anao Aho.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Ny fiovan’ny fonao

1B_15: R’ilay Bitikako, ny fiovan’ny fonao dia Asako fa tsy asanao. Ny ataonao dia ny mamerina Amiko ireo, ireo « ENY-NAO », sy ny iaikenao ny fahalemenao ary indrindra ny fahatokisanao ny maha-mahefa ny zavatra rehetra Ahy hatramin’izay antsipirihany indrindra amin’ny fiainanao. Tiako ny hitantana anao ho akaiky ny Foko mba handrakotra anao bebe kokoa ny Fitiavako. Manaike tiavina ianao. Tiako ianao!

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Tsy maintsy ho levona ny ratsy

1D_32: Anaka, tonga ny fotoana mba hipariahan’ny Fitiavana izay mameno ireo voafidy, eto ambonin’ny tany. Tsy maintsy ho levona ny ratsy. Ary satria fomba iray ihany no handroahana ireo herin’ny maizina : dia ny fisian’ny fahazavana, dia torak’izany koa tsy misy afatsy fomba iray ihany koa ny fandroahana ny ratsy dia ny fisian’ny Fitiavana.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Isaky ny ao anatin’ny olana ianao

1D_28: Anaka, isaky ny ao anatin’ny olana ianao, aza tonga dia mitady avy hatrany ireo vahaolana, fa miverena miditra ao anatinao, miverena amin’ny « tsy mahavita azy » anao, amin’ny fahakelezanao, dia hiasa ny Fitiavana, na amin’ny alalan’ireo olona manodidina anao, na amin’ny alalan’ny tolo-tsaina mazava omena anao. Ianao, tsy misy ataonao afa tsy ny misaotra ny Ray. Mianàra manaiky ho tantànin’ny Fitiavana. Tiako ianao.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Ireo « ENY » atolotrao tsy misy fetrany

3B_15: Anaka, ireo « ENY » atolotrao tsy misy fetrany dia mandrava ny fefy sy ny sakana hidiranao amin’ny seraseram-pitiavako. Manjavona koa ny fefy hafa rehefa manaiky ny fahalemenao, ny fahosanao sy ny fahakelezanao ianao. Ary ny fanekenao ny Fitiavako dia hampanjavona fefy hafa sy hatonga anao hitoeran’ny Fitiavako.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Dia mahatonga anao fitaovam-piadiana mahery vaika

1C_15: Anaka, ny fahatongavanao Fitiavana dia mahatonga anao fitaovam-piadiana mahery vaika, zana-tsipika afaka mahatratra ireo tanjona izay heverinao tsy ho tratra ireny mihintsy aza, ao anatin’ny ady izay efa miatomboka ankehitriny. Ny tafika tarihin’ny Reniko Masina, ary an’isany ianao, dia tena matanjaka eo amin’ny tontolo tsy hita maso, satria otronin’ireo Olomasina Lahy sy Vavy any am-paradisa sy ireo Anjely Masina Izy.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Hafanain’ny Fitiavako

1B_31: R’ilay Bitikako, mila fo maro manaiky ny ho tiaviko Aho. Ary rehefa tafiditra ao anatin’ny fo ny Fitiavako, dia hiova ny fony; hafanain’ny Fitiavako, satria mifandray amin’ny Foko ny fony, ary ny Foko dia mifandray tsy tapaka amin’ny Fon’ny Ray, Izy, ilay loharanon’ny Fitiavana.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany

Afeno ny fampiharana vaovao

iphone icone402x
×

Cart

FCDJ Pensées du jour

Pensée du jour

30 August 2023
1B_31: R’ilay Bitikako, mila fo maro manaiky ny ho tiaviko Aho. Ary rehefa tafiditra ao anatin’ny fo ny Fitiavako, dia hiova ny fony; hafanain’ny Fitiavako, satria mifandray amin’ny Foko ny fony, ary ny Foko dia mifandray tsy tapaka amin’ny Fon’ny Ray, Izy, ilay loharanon’ny Fitiavana.
bitmap 2

Une expérience utilisateur améliorée

Téléchargez notre application maintenant

bitmap 3
mobile bitmap 3