1A_24: Anaka, ekenao ve ny ho lasa tahaka an’io fo izay tia tanteraka io, ho tahaka Ahy nitia, tia ary hitia… miaraka amin’ireo fijaliana, ireo hafaliana, ny fiadanam-po sy ny Fitiavana aterak’izany, izay afaka tsy ho omenao fotsiny ihany fa ho azonao koa ? Miandry ny valin-teninao Aho. Tiako ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Ahy nitia, tia ary hitia

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Manaiky ve ianao

1A_08: Anaka, manaiky ve ianao ho Ahy ilay tsy miaina afa tsy ho Ahy? Ilay mandà ny fahafinaretany, ny endriny tiany hijeren’ny olona azy, ny lazany, ary indrindra ireo fihevitrao? Valio Aho !
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Eo am-pelatànan’Andriamanitra avokoa

1D_38: Anaka, eo am-pelatànan’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra, tsy tokony hisy hatahoranao. Tsy tokony hanana adin-tsaina na fiahiahiana ianao na iray aza, satria fantatrao fa ny Rainao izay tia anao tanteraka no mikarakara ny zavatra rehetra hatramin’ny madinika indrindra… Rehefa manolo-tena bebekokoa ianao, dia afaka miasa bebe kokoa mba hanafaka sy hameno anao ny Ray.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Avelao tantànako ianao

2A_02: Ry bitikako, vavolombelona tokoa ianao izao fa tsy ianao no miasa, fa tena ny Fanahy Masina izay miasa ao anatinao, manodidina anao, amin’ny alalanao. Andao hiaraka isika, misaotra ny Ray mba ho tanteraka izany. Avelao tantànako ianao, atodio any amin’ny Ray ny fijerinao, banjino miaraka amiko ny tambitambiny mba hampiasany anao na dia afaka mahavita asa irery aza Izy. Banjino ny Famindram- pony mba hampiasany anao na dia tsy mbola tonga lafatra aza ianao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Mianatra ny Fitiavana ianao

1A_15: R’ilay Bitikako, mianatra ny Fitiavana ianao ankehitriny. Nofidiko ianao ; ilaiko ianao. Tsy izay ataonao na izay lazainao no zava-dehibe, fa ny Fitiavana izay mitoetra ao anaty fonao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Homany ny fonao

1C_39: Anaka, homany ny fonao amin’ny vavaka sy ny fandàvana ny tenanao, mba hatonga anao mihaino Ahy bebekokoa, tsy ny Teniko sy ireny tolo-tsaina ireny ihany, fa koa, ary indrindra, amin’ireny zava-mitranga mahafinaritra na mampalahelo ireny. Raha avelako hiaina an’ireny ianao, dia fampianarana ho anao ireny, izay tokony horaisinao mba hitomboinao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Mila mianatra miaina eo amin’ny fonao izany ianao

2A_14: Ry bitikako, nohariana tamin’ny Fitiavana ianao mba ho tonga IRAY aminy ; ny fifandraisana amin’izy roa dia ny fonao. Mila mianatra miaina eo amin’ny fonao izany ianao ; izany no ianaranao rehefa mitoetra samy irery miaraka Amiko ao anatinao lalina iny ianao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Atolory an’ny Ray

3B_10: Anaka, atolory an’ny Ray avokoa na ny mahafinaritra na ny mahasosotra, na ny tsara na ny ratsy. Tsy havesatra aminao intsony io lasanao io raha omenao ny Famindram-pon’ny Ray satria tsy hilanja izany intsony ianao. Apetraky ny Ray eo ambanin’ny tongotrao ny lasanao, tahaka ny vato, mba hisondrotanao mankany Aminy.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Miha-mahery koa ny jironao

1B_26: R’ilay Bitikako, rehefa miha-tonga Fitiavana ianao, dia miha-mahery koa ny jironao. Ary mba ho tanteraka izany, dia tokony ho olon’ny Fitiavana ianao. Mba ho tonga io olon’ny Fitiavana io, dia tokony hanaiky ho Tiaviko, Izaho izay Tomponao sy Andriamanitrao, ianao. Amin’izay, dia lasa IRAY ao anatin’ny Fitiavana isika.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Mia-afaka mampiasa anao koa

1E_15: Anaka, rehefa mia-manaiky handany fotoana miaraka Amiko ianao, ary mia-mandray ny Fitiavako, dia mia-afaka mampiasa anao koa Aho mba hihaona amin’ireo zanako hafa koa izay tiako tokoa. Mila olona izy ireo hihaino, ao amin’ireo sofiny, izay efa reny tao am-pony. Tiako ianao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany