facebook live
Tous les Mardi, jeudis
et vendredis à 12 : 30 HAE.
Votre dose d'amour
quotidienne!

Ao anatin’izany fandraisana sy fanomezana izany

2A_30: Ry Bitikako, raha mandray betsaka hatrany ny Fitiavana avy amin’ny Ray ianao, dia miha tonga Fitiavana ianao. Ary ny hanomezanao betsaka no handraisanao betsaka… vokatr’izany, dia ho afaka hanome bebekokoa ianao. Ny fidiranao ao anatin’izany fandraisana sy fanomezana izany, miaraka amin’ny fiderana an’ny Ray, no afahanao miditra bebekokoa hatrany ao anatin’ny fifaliana sy ny Fitiavana. Tiako loatra ianao.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Ny fandrosoanao ao anatin’ny finoana madio

2B_19: Ry Bitikako, ny fandrosoanao ao anatin’ny finoana madio no hahitanao izay ataon’ny Ray amin’ny alalanao, ary miaraka amin’izay koa ny hahitanao ireo fiovana izay atao ao aminao.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Asa miavaka

1B_38: Anaka, manaike lalina ao am-ponao ny hotiaviko manokana. Nofidiko ianao hanao asa miavaka ary mila anao tanteraka Aho. Tsy maintsy manaiky ny tenanao sy tia ny tenanao araka ny naharian’ny Ray anao ianao. Tsy maintsy manaiky ny hanome Ahy, ny « Eny » tsy misy fepetra ianao, ny ho tonga bitika, ny hanaikenao ny ho tantànako, tsy misy ady hevitra, tsy am-pisainana ary matetika tsy takatrao.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Miaraka aminao, misaotra ny Ray Aho

2B_04: Anaka, miaraka aminao, misaotra ny Ray Aho amin’ilay olona vaovao izay maka toerana bebe kokoa hatrany ao anatinao ary Miray Amiko. Velomin’ny Fitiavako tsy tapaka izy, amin’ny fandrenesany ny bitsika amin’ny sofiny ireto teny izay lazaiko miverimberina tsy mihato aminy ireto: Tiako ianao, Tiako ianao, Tiako ianao.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Eritreritra manimba

2B_07: Anaka, na dia mahatandrina tsy miteny teny manafintohina na mandratra amin’ny hafa aza ianao, kanefa ireo eritreritrao dia mitsikera, ratsy na feno fitsaràna an’ilay olona dia manakana ny Fitiavana tsy hikoriana malalaka ao anatinao sy amin’ny alalanao. Ireo eritreritra manimba dia tokony atolotra ny Famindram-pon’ny Ray, amin’ny fangatahana Aminy mba hanovany ny fonao ho tonga ho afaka hanaiky ny hafa amin’ny maha izy azy, mba hamelàna ny Fitiavana hikoriana malalaka ao aminareo samy ianareo.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Manontany tena ianao hoe

1A_17: R’ilay Bitikako, manontany tena ianao hoe : inona no tokony ho hatsarainao… Zavatra iray ihany no manan-danja : Ny hanananao fahatokisana Ahy bebekokoa amin’ny fiainanao, ny hamelanao Ahy bebekokoa hiasa, ny hanananao fahatokisana Ahy hatramin’ny madinika indrindra amin’ny fiainanao.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Mirehi-pitiavana ny Foko

3A_07: Ry Bitikako, fantatrao fa mirehi-pitiavana ny Foko, ary maniry Aho ny handrotsaka io Fitiavana io ao anatin’ny fo maro. Ny làlana tsara indrindra hatanteraka an’izany dia ny hanaovanao fitsahoana Ahy amin’ny Eokaristia Masina. Ny faniriko ho velona ao anatin’ireo fo maro dia mandalo amin’ny alalan’ny fisiako ao amin’ny Eokaristia Masina. Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko !

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Raha mba fantatr’izao tontolo izao

1E_16: Anaka, raha mba fantatrao, ô ! raha mba fantatr’izao tontolo izao ny Fitiavana, ny Hafaliana sy ny Fiadanana izay miandry azy ireo, raha mitady ireo harena any An-danitra izy ! Dia hitodika any amin’ireo harena ireo ny atao rehetra fa tsy amin’ny harena eto an-tany, izay marivo no tsy maharitra. Ho sambatra ianao manomboka manandrana ny Fitiavana !

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Matetika avy amin’ny alalan’ny fahalemenao

3B_16: Anaka, matetika avy amin’ny alalan’ny fahalemenao, ny fahosanao ary ireo izay heverinao hoe hadisoanao no hafahako mikasika sy mihaona ny olona hafa. Isaky ny miaiky ianao fa kely dia vao mainka hitoetra ao aminao ny Fitiavan’ny Ray. Ary raha mitoetra ao aminao ny Fitiavana dia ho mora koa ny hipariahany hihaona amin’ny fon’ny hafa amin’ny alalanao. Koa ny fisinao dia ho lasa fahazavana ho an’ireo fo izay mitady an’Andriamanitra.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Fantatro ny fanirianao

1A_01: Anaka, aza matahotra, fantatro tsara ny fahalemenao, fantatro koa ny fanirianao tsy hamadika Ahy rehefa misy ny fitsapàna. Manampy anao lalandava ny famindrampoko ary eo anilanao isan’andro Aho na dia tsy hitanao aza, na dia tsy renao aza ny fisiko, eo anilanao foana Aho. Ny fitiavako anao no manohana anao.

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email

Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany

Afeno ny fampiharana vaovao

iphone icone402x
×

Cart

FCDJ Pensées du jour

Pensée du jour

8 February 2022
1A_01: Anaka, aza matahotra, fantatro tsara ny fahalemenao, fantatro koa ny fanirianao tsy hamadika Ahy rehefa misy ny fitsapàna. Manampy anao lalandava ny famindrampoko ary eo anilanao isan’andro Aho na dia tsy hitanao aza, na dia tsy renao aza ny fisiko, eo anilanao foana Aho. Ny fitiavako anao no manohana anao.
bitmap 2

Une expérience utilisateur améliorée

Téléchargez notre application maintenant

bitmap 3
mobile bitmap 3