Tsindrio indray mba hamerenana azy.
Ampahafantaro ny « Hevitra » azo jerena
Ry Jesoa Tompo ô,
fantatro fa miahy ahy ianao amin’ny fiainako manontolo !
Ankehitriny anefa dia tena milany fanampianao aho, tariho làlana aho, omeo ny fahazavanao aho ;
amin-pinoana no hanindriko ny « Hevitra anio » mba hitenenanao amiko !
Misaotra amin’ny fiahinao ahy amim-pitiavana eo amin’ny fiainako !
Ry Bitikako, avia manakaiky kokoa Ahy. Mirehi-pitiavana anao ny Foko. Rehefa hafanain’ny Foko ny fonao dia voadio. Ireo fotoana maharitra iarahanao amiko no mampiray ny fonao amin’ny Foko ary amin’ny farany dia ny tenanao manontolo no miray Amiko.