Tsindrio indray mba hamerenana azy.
Ampahafantaro ny « Hevitra » azo jerena
Ry Jesoa Tompo ô,
fantatro fa miahy ahy ianao amin’ny fiainako manontolo !
Ankehitriny anefa dia tena milany fanampianao aho, tariho làlana aho, omeo ny fahazavanao aho ;
amin-pinoana no hanindriko ny « Hevitra anio » mba hitenenanao amiko !
Misaotra amin’ny fiahinao ahy amim-pitiavana eo amin’ny fiainako !
Anaka, isaky ny manaiky hampandefitra ny sitraponao ianao, dia manome toerana bebekoa ny Sitrapoko, dia avy amin’ny alalan’izany no hatanteraka hatrany tsikelikely ny Sitrapoko amin’ny alalanao. Fitiavako ianao. Mba tiako ianao !