Tsindrio indray mba hamerenana azy.
Ampahafantaro ny « Hevitra » azo jerena
Ry Jesoa Tompo ô,
fantatro fa miahy ahy ianao amin’ny fiainako manontolo !
Ankehitriny anefa dia tena milany fanampianao aho, tariho làlana aho, omeo ny fahazavanao aho ;
amin-pinoana no hanindriko ny « Hevitra anio » mba hitenenanao amiko !
Misaotra amin’ny fiahinao ahy amim-pitiavana eo amin’ny fiainako !
R’ilay Bitika, tiako ny mahita anao bitika mba handraisako anao eo an-tsandriko, ary ho fihiniko eo amin’ny foko. Rehefa tafatohoka tanteraka amin’ny foko ny fonao dia afaka mampirehitra azy amin’ny Afon’ny Fitiavako anao, ary mifehy azy amin’ny Fitiavako ! Avia andràmo ny Fitiavako. Tiako ianao !