Tsindrio indray mba hamerenana azy.
Ampahafantaro ny « Hevitra » azo jerena
Ry Jesoa Tompo ô,
fantatro fa miahy ahy ianao amin’ny fiainako manontolo !
Ankehitriny anefa dia tena milany fanampianao aho, tariho làlana aho, omeo ny fahazavanao aho ;
amin-pinoana no hanindriko ny « Hevitra anio » mba hitenenanao amiko !
Misaotra amin’ny fiahinao ahy amim-pitiavana eo amin’ny fiainako !
Anaka, raha te halala hoe manao ahoana no tokony ho fitondran-tenanao manoloana ny fijaliana, dia banjino ny fitondran-tenako: moa ve nihemotra Aho? Moa ve niezaka nampihena azy Aho ? na niezaka nanova ny fihetsiky ny hafa ? noraisiko ny fijaliana dia niainako tanteraka, mba ahafako manantanteraka antsakany sy andavany ny iraka nankinina Tamiko irery. Amin’izany ohatra izany no tokony alainao tahaka mba iainanao tsara ny irakao. Manaike ho tantànana amin’ny fidirana ao anatin’izany tontolo vaovao izany. Tiako ianao.