Anaka, mihazakazaka manatona anao Aho mba hanampy anao. Raisiko eo an-tsandriko ianao ; maneke ianao ny hiala sasatra eo amin’ny Foko. Avereno lazaina amiko ny Fitiavanao ! Ny ilainao alohan’ny zavatra rehetra izao, dia ny hatsapanao fa tiana ianao: Izaho no loharanon’ny Fitiavana. Satria tiako ianao, dia esoriko eo aminao ny vesatr’ireo zava-manahirana anao. Nataonao izay azonao natao, avelao Aho hiasa eo amin’ny hafa. Matokia Ahy ianao.
Isan'andro, ataovy tsara ny fonao amin'ny hafatra avy amin'i Jesoa, fijoroana vavolombelona, vavaka ary eritreritra ara-panahy.