Hianatra

Hevitra anio


Toko 1, Hafatra 10

24 Mey 2025

Anaka, aza matahotra, fantatro tsara ny fahalemenao, fantatro koa ny fanirianao tsy hamadika Ahy rehefa misy ny fitsapàna. Manampy anao lalandava ny famindrampoko ary eo anilanao isan’andro Aho na dia tsy hitanao aza, na dia tsy renao aza ny fisiko, eo anilanao foana Aho. Ny fitiavako anao no manohana anao.

image