Toko 1, Hafatra 10
25 Jon 2025
Anaka, ekenao ve ny ho lasa tahaka an’io fo izay tia tanteraka io, ho tahaka Ahy nitia, tia ary hitia… miaraka amin’ireo fijaliana, ireo hafaliana, ny fiadanam-po sy ny Fitiavana aterak’izany, izay afaka tsy ho omenao fotsiny ihany fa ho azonao koa ? Miandry ny valin-teninao Aho. Tiako ianao.