Toko 1, Hafatra 13
26 Jan 2026
Anaka, jereo Aho miasa. Raiso tsara izay avelako hitranga aminao ho an’ny fanadiovako anao. Mitoera ao an’efitranonao anaty, tahaka ny angatahan’ny Reniko Tena Masina ; aoka ianao ho tonga olon’ny fivavahana, olon’ny fiderana, olon’ny fankasitrahana ary indrindra olon’ny Fitiavana. R’ilay Bitikako, tiako ianao.