Toko 1, Hafatra 0
2 Jol 2026
Anaka, ny Foko dia misokatra tanteraka mba handray anao. Tsy miandry afa-tsy ireo « ENY » avy aminao Aho. Manaike ianao fenoina ; manaike ianao tiavina, manaike ianao valiana soa, manaike ianao kolokoloina, manaike ianao ho doroin’ny Afon’ny Fitiavako ! Tiako loatra ianao. Tsy misy fetrany ny Fitiavako !