Toko 1, Hafatra 29
23 Mar 2026
Anaka, manontany tena matetika ianao ny amin’ny tokony ezaka ataonao mba hampifaly Ahy hatrany. Tsy ny manao fa ny miaina no zava-dehibe. Ny ilaiko, dia ireo olona miova ho Fitiavana. Rehefa lasa Fitiavana ianao, dia ho tonga vavolombelona marina, andry iankinan’ny Egliziko Vaovao.