Toko 1, Hafatra 71
17 Jon 2026
Anaka, tohizo ny fanaikenao ho tantànana ao anatin’ny finoana. Mbola betsaka no tokony ho hitanao. Mbola tsy tena takatrao tsara hatraiza ny Fitiavan’Andriamanitra anao ! Mbola tsy tena hitanao tsara ihany koa ny Herin’Andriamanitra, ny Fitiavany sy ny Famindram-pony. Manaike ianao tiavina, manaike ianao ho fenoina.