Toko 1, Hafatra 85
1 Des 2025
Anaka, isaky ny mitaraina aty Amiko ianao, dia mihazakazaka manatona anao Aho. Dia raisoko eo an-tsandriko indray ianao. Mba tiako ny mamihina ny fonao eo amin’ny Foko ary, isaky ny manao izany Aho dia tonga miha Fitiavana ny fonao.