Toko 1, Hafatra 90
27 Mar 2026
Anaka, avia mifitsaka eo an-tsandriko. Eto an-tsandriko ihany no afahanao miditra ao amin’ny fahalalahana tanterak‘ireo zanak’Andriamanitra. Aoka ho tsapanao fa isaky ny mikorontana ety ivelany ianao, dia ireo tebiteby sy adin-tsaina no manenika anao; rehefa miverina aty Amiko ianao dia hahita Fiadanana sy Hafaliana.