Toko 1, Hafatra 125
28 Mey 2026
Anaka, na dia miezaka ny hampiasa malalaka ny eritreritrao aza ianao dia tsy ho takatrao na dia ny kely indrindra amin’ny Fitiavan’ Andriamanitra Raintsika. Ny Fony dia Afom-pitiavana, Afo tsy miova, izay mihavao tsy tapaka ary tsy mety maty. Isaky ny miteny « Eny » ianao manaiky ho tiavina, dia tonga mitoetra ao aminao ny Fitiavana.