Toko 1, Hafatra 165
16 Mar 2026
Anaka, ilay Fitiavana ao anatinao, izay tsy hitanao maso, izay tsy tsapanao foana dia tena miasa tsara tokoa. Hanova tanteraka ny tenanao izy, hanadio azy, mba hatonganao zana-tsipika tsy manan-tsahala, izay afaka hanatrobaka ireo izay tena mafy fo. Miaraka aminao dia te hisaotra an’i Ray Aho satria tonga « Fitiavana » ianao.