Toko 2, Hafatra 54
13 Nov 2024
Anaka, aoka hidera, hankasitraka mandrakariva mba hitoetra bebekokoa hatrany ao anatin’ny firavoravoana, na dia mandia ireo fahoriana mafy indindra aza. Ny fandraisanao tsy tapaka ny Fitiavana midina avy any an-danitra no mahatonga anao ho « Fitiavana ». Sokafy hisokatra bebe kokoa ny fonao sy ny sandrinao mba handray azy bebe kokoa, satria tena tiana tokoa ianao. Eny tiako ianao. Eny, ry Bitikako, tiako ianao.