Toko 3, Hafatra 83
27 Feb 2026
Anaka, tokony ho tadidinao fa ny faniriako dia ny fanekenao fa bitika ianao, ary ho mora manaiky sy ho azo polesina mba hanatanteraka ny Sitrapon’ny Ray ; ary ho mailaka handray ny tondram-pitiavana izay tian’ny Ray arotsaka aminao amin’izao fotoana izao, ary mihabetsaka fa indrindra amin’ny fotoana fandraisana ny Eokaristia .