Toko 3, Hafatra 23
10 Okt 2025
Ry bitikako, tena sarobidy amiko izay Andriamanitrao ianao ary mila anao aho. Avia miantsapaza aty anatin’ny Foko. Ankiniko amin’ilay Reniko Masina ianao mba hanasitrana ny ratranao rehetra ary hitondra anao ho any anatin’ny Fon’ny Ray. Tiako ianao.