Tsindrio indray mba hamerenana azy.
Ampahafantaro ny « Hevitra » azo jerena
Ry Jesoa Tompo ô,
fantatro fa miahy ahy ianao amin’ny fiainako manontolo !
Ankehitriny anefa dia tena milany fanampianao aho, tariho làlana aho, omeo ny fahazavanao aho ;
amin-pinoana no hanindriko ny « Hevitra anio » mba hitenenanao amiko !
Misaotra amin’ny fiahinao ahy amim-pitiavana eo amin’ny fiainako !
Ry bitikako, raha mba fantatrao ny hafaliana izay misy any an-danitra, na dia noho ireny fotoana omenao ifandraisantsika lalina ireny ihany aza ! Ny Afon’ny Fitiavana-Afo no mirehitra hatrany hatrany ao anatin’ny fonao ary koa mirehitra ao anatin’ny fo maro. Ary tsy ho ela intsony, dia hiova, hiavao tanteraka ny tany ary ho vonona handray Ahy amin’ny Fiverenako manetriketrika.