Tsindrio indray mba hamerenana azy.
Ampahafantaro ny « Hevitra » azo jerena
Ry Jesoa Tompo ô,
fantatro fa miahy ahy ianao amin’ny fiainako manontolo !
Ankehitriny anefa dia tena milany fanampianao aho, tariho làlana aho, omeo ny fahazavanao aho ;
amin-pinoana no hanindriko ny « Hevitra anio » mba hitenenanao amiko !
Misaotra amin’ny fiahinao ahy amim-pitiavana eo amin’ny fiainako !
Ry bitikako, ireo fahasahirananao rehetra sy ireo fijalianao rehetra dia napetrako eo amin’ny làlanao mba hitondra anao lalindalina kokoa ao anatin’ny Fitiavana. Miparitaka amin’ny heriny rehetra aoanatin’ny olona voadio ny Fitiavana. Ny fanadiovana dia arahana faharavoravoana be mandrakariva, satria ny fanadiovana dia mampanakaiky anao an’ilay Mpahary anao sy Andriamanitrao. Fa rehefa tena akaiky Azy ianao dia tena hahazo ny fiadanam-pony, ny fifaliany ary ny Fitiavany.