Tsindrio indray mba hamerenana azy.
Ampahafantaro ny « Hevitra » azo jerena
Ry Jesoa Tompo ô,
fantatro fa miahy ahy ianao amin’ny fiainako manontolo !
Ankehitriny anefa dia tena milany fanampianao aho, tariho làlana aho, omeo ny fahazavanao aho ;
amin-pinoana no hanindriko ny « Hevitra anio » mba hitenenanao amiko !
Misaotra amin’ny fiahinao ahy amim-pitiavana eo amin’ny fiainako !
Anaka, mandrosoa ao anatin’ny finoana madio, aza mitady hahatakatra izay hitondrako anao. Ho Anao, zavatra iray ihany no manandanja indrindra : ny fanaikenao hotantànana, ny fanaikenao ho fehezin’ny Fitiavako. Mivonona tsara mihaino ireo olona apetrako eny amin’ny làlanao eny sy mihaino ireo tolon-tsaina avy aty Amiko… Tena tiako ianao! Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko.