Tsindrio indray mba hamerenana azy.
Ampahafantaro ny « Hevitra » azo jerena
Ry Jesoa Tompo ô,
fantatro fa miahy ahy ianao amin’ny fiainako manontolo !
Ankehitriny anefa dia tena milany fanampianao aho, tariho làlana aho, omeo ny fahazavanao aho ;
amin-pinoana no hanindriko ny « Hevitra anio » mba hitenenanao amiko !
Misaotra amin’ny fiahinao ahy amim-pitiavana eo amin’ny fiainako !
Anaka, fifaliana vaovao ho Ahy mandrakariva rehefa miantso Ahy ianao. Tiako ny mahita anao mihaino Ahy. Tohizo ny mivavaka amin’ny Ray iarahanao Amiko sy ny Reniko Masina, mba hisokafan’ireo fo sy hatonga an’ireo fo hiaino Ahy. Ny Famindram-po sy ny famelan-keloka dia eo foana, ary miandry atolotra ho an’ireo izay miaiky ny fahotany. Tohizo ny miantso ireo fo ao antin’ny tontolo tsy hita maso mba hisokafany amin’ny Famindram-po lehiben’ny Ray.