Anaka, afaka miaina ao anatin’ny Fiadanana sy Fifaliana ianao, amin’ny tranga iray izay mampatahotra, mahakivy ary mampitaintaina be ho an’ny olona rehetra. Ny fijerevana an’izany amin’ny alalan’ny masom-pinoana, ary ny fahafantaranao fa kely sy tian’Andriamanitra ianao no andraisanao ao anatinao izay ilainao rehetra mba hazakanao izay mitranga ety ivelany nefa tsy voafehinao.
Isan'andro, ataovy tsara ny fonao amin'ny hafatra avy amin'i Jesoa, fijoroana vavolombelona, vavaka ary eritreritra ara-panahy.