Anaka, alohan’ny hangalanao fanapahan-kevitra, dia anontanio Aho. Angataho Aho hanome tolo-tsaina anao dia hataoko izany. Dia avy eo tanteraho araka izay voarainao ao anatin’ny fonao. Manàna fitokisana Amiko ! Ekeo ireo sakana na ireo fahasaròtana, amin’ny fahafantarana fa eo Aho hanampy anao hamaha an’izy ireo. Ataovy izay ataonao ao anatin’ny fahatokisana tanteraka fa miaraka aminao mandrakariva Aho.
Isan'andro, ataovy tsara ny fonao amin'ny hafatra avy amin'i Jesoa, fijoroana vavolombelona, vavaka ary eritreritra ara-panahy.