Tsindrio indray mba hamerenana azy.
Ampahafantaro ny « Hevitra » azo jerena
Ry Jesoa Tompo ô,
fantatro fa miahy ahy ianao amin’ny fiainako manontolo !
Ankehitriny anefa dia tena milany fanampianao aho, tariho làlana aho, omeo ny fahazavanao aho ;
amin-pinoana no hanindriko ny « Hevitra anio » mba hitenenanao amiko !
Misaotra amin’ny fiahinao ahy amim-pitiavana eo amin’ny fiainako !
Anaka, makà fotoana tsara manaiky ny Fitiavako anao, mandray ny Fitiavako, tahaka ny kitay, izay avela haka fotoana tsara ao anaty afo, mba hirehitra, ka hanome ny afanany. Torak’izany koa, tokony hamela ny Fitiavako handrehitra anao tsara ianao alohan’ny hizara azy amin’ny hafa.