2A_10: Ry zanaky ny Foko, nanome « eny » betsaka ianao ; Mitaky « eny » hafa fanampiny ny Ray mba hamitany ny sanganasan’ny Fitiavana izay ianao ihany. Aza mandany andro mijery ny tenanao, na koa manontany tena. Tazony mitodika eo amin’ny Ray ny fijerinao, banjino ny Fitiavany. Aza mitady ny mba ho mendrika an’izany, satria tsy ho mendrika ny Fitiavany mandrakizay ianao, tsy ho vitanao mandrakizay ny ho mendrika ny Fitiavana lavorary. Raiso, raiso, raiso ny Fiantrany, ny Famindram-pony sy ny Fitiavany, satria izany no tiany ho tanteraka.
Raiso, raiso, raiso

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email