1F_35: Anaka, aza matahotra na kely aza handray ny « Fitiavana », na ilay omena anao mivantana na ilay avy amin’ireo olon-kafa. Rehefa miha mandray ianao, dia ho afaka mandray foana koa… Rehefa manome foana ireo «ENY-NAO » amin’ny Fitiavana ianao, dia aingankaingana koa ny hatongavanao “Fitiavana“.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Aza matahotra na kely aza handray ny « Fitiavana »

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ho tsapanao

2A_06: Anaka, aoka ho tsapanao fa ny Fijaliako nandritran’ny fialako aina tao amin’ny zaridainan’oliva no nampamokatra ny Iraka nanirahana Ahy sy ny Fahafatesako. Raha tsy maintsy nomasahana tamin’ny fijaliako ny iraka nankininina tamiko, koa tsy rariny ve raha ny fijalianao dia tonga nampamokatra ny asa nanirahana anao ?
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Efa mitodika any aminao ny masoko

1F_06: Anaka, tsy misy tokony hatahoranao. Efa mitodika any aminao ny masoko. Manaike ianao ho tiavina ; ao amin’ny fahakelezanao mandrakariva sy eo amin’ny fonao no afahanao mihaona Amiko… Raha avelanao, dia doroiko amin’ny Afon’ny Foko ny fonao. Tiako ianao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Tiako loatra ianao

1B_39: Anaka, tiako loatra ianao ! Ekeo ny Fitiavako. Dia avy amin’izay no afahanao mitia ny tenanao amin’ny maha ianao anao io, tsy mila faniriana te hiova ! Ary, farany, dia ho tonga Fitiavana tsy misy fitarainana, tsy misy fimenomenomana ianao, ka ho afaka mitia ireo maratran’ny fiainana izay apetrako eny amin’ny làlanao eny.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Mitsofoa ao anatinao lalina

1A_34: Anaka, aza manahy, nahita sitraka teo imasoko ianao. Miaraka aminao mandrakariva Aho. Raha te hampifaly bebekokoa Ahy ianao dia aoka ianao ho lasa miha bitika, ary mitsofoa ao anatinao lalina: ao no misy Ahy, ao koa no hafantaranao ny fahosanao sy ireo fetranao. Ao koa no mitoetra ny fanetre-tena sy ireo toetra tsara izay napetrako ao aminao tamin’ny Bateminao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Avelao ho tanteraky ny Fifandraisako

2B_05: Anaka, avelao ho tanteraky ny Fifandraisako ampitiavana tsy mijanonona mitombo ianao. Io fifandraisana Amiko io no fototry ny fihovana izay miasa ao anatinao. Ny fanampiny, dia ny fifandraisanao amin’ny olon-kafa izay tokony iainana mandrakariva ao anatin’io fiainam-pitiavana io.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ataoko ho fonenako ianao

3A_03: Ry Bitikako, nomena fahefana ianao hatsapa ny fisiako ao aminao na dia eny ampanaovina ireo raharahanao aza ianao. Ataoko ho fonenako ianao ! Mirehi-pitiavana ho anao Aho ! Sokafy fotsiny ny tànanao handray Azy. Tena eo Aho, ao anatinao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ny firaisan’ny fonao amin’ny Foko

3A_20: Anaka, ny firaisan’ny fonao amin’ny Foko sy ny Fon’ny Reniko Masina no mitondra anao ao amin’ny Fon’ny Ray. Mba ho tonga ao amin’ny Fon’ny Ray, dia tokony ho voadio tanteraka… Mba ho voadio, dia tokony handalo amin’ireo Afon’ny Fitiavana sy ny fijaliana. Rehefa lasa mamay loatra ho anao ireo Afo ireo, dia faingàna ianao atolory Ahy izy ireo : ho hitanao fa maivana ny jiogako.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ry Zanaky ny Foko, Tiako ianao

2B_28: Anaka, sambatra ianao manome ny « ENY-NAO » amin’ny Raintsika sy feno ny Fitiavany ! Ekeo fa Izaho, Jesoa, dia miondrika eo aminao ary mibitsika aminao eo amin’ny sofina hoe : « Ry Zanaky ny Foko, Tiako ianao, Tiako ianao, Tiako ianao !
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Mavesatra sy sarotra entina ny fijalianao

3A_26: Anaka, isaky ny mahatsapa ianao fa mavesatra sy sarotra entina ny fijalianao, dia avia miantsapaza eo an-trotroiko. Atolory Ahy ny fijalianao dia ho tsapanao fa maivana ny entako. Aza manana ahiahy fa efa henoko ireo vavakao sy ireo fitarainanao. Nahita sitraka teo imasoko ianao. Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
- 1
- 2
- 3
- 4
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany