1F_24: Anaka, fonosiko amin’ny Kapaoty beako ianao mba hiaro anao sy handrakotra anao amin’ny Aloko. Rehefa miha mahatsiaro fa kely, malemy, tsy mahavita na inona na inona ianao, dia miha ilaiko ary manomboka afaka mandalo amiao sy mampiasa anao Aho. Tiako be ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Miha ilaiko ary manomboka

Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Aza mitsahatra mihaino Ahy

1D_39: Anaka,aza mitsahatra mihaino Ahy, mila anao Aho, nofidiko ho irahako hanantanteraka asa iray ianao. Tsy mbola takatrao aloha amin’izao fotoana izao ny hakantony, ny halehibeazany ary ny lanjan’io iraka io… Izay rehetra ilainao dia homena anao noho ny Fahasoavana.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Avy amin’ny fonao

2B_40: Ry Bitikako, nihevitra ianao fa noho ny fahaizanao no antony ilaivako anao. Nefa teneniko aminao fa avy amin’ny fonao, io fo izay doroiko amin’ny Afon’ny Fitiavako-Afo, avy amin’ny alalan’ireo fijalianao. Atolory Ahy ny enta-mavesatrao, dia ho tsapanao fa maivana ny Jiogako.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ekeo ny tenanao

1A_13: Anaka, ekeo ny tenanao. Ilaiko ianao araka ny maha ianao anao izao. Ny fanaikenao ny tenanao izao no afahanao mandray ireo fahasoavana, Fahasoavana maro izay eo am-pelatànako ho anao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ny manaiky manaraka Ahy

3A_19: Ry Bitika malalako, ny manaiky manaraka Ahy, dia manaiky ny ho rantsànana mba ho havaozina araka ny Sitrapon’ny Raiko. Atolory Ahy ny enta-mavesatrao : ho hitanao fa maivana ny jiogako. Aza matahotra. Sambatra ianao nahita sitraka eo imasoko sy arahin’ny Fitiavako mandrakariva.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Tiako ny fonao midera

1B_23: R’ilay Bitikako, tiako rehefa mitsahatra ianao mba hidera Ahy, hisaotra Ahy, hankasitraka Ahy. Tiako ny fonao midera, sady miaraka amin’izay, toy ny menaka manasitrana ny Foko maratra. Ary koa hiova ny fonao ka lasa Fitiavana bebe kokoa.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Maro ireo izay

1F_07: Anaka, maro ireo izay voafatotry satana ! Atolory Ahy izy ireny. Afahako izy ary ataoko vavolombelona rehefa voaova amin’ny alalan’ny Fitiavana. Ny Fitiavana no manao ny zavatra rehetra, rehefa avela hiasa Izy. Tiako ianao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Hampiray anao bebekokoa Amiko

1C_35: Anaka, atodiho aty Amiko ny fijerinao, dia hisy dikany hafa tanteraka aminao ireo zava-mitranga rehetra aminao. Raha tokony havariana sy hanalavitra anao Amiko izy ireo, dia vao mainka hampiray anao bebekokoa Amiko. Ho fantatrao bebekokoa ny Fitiavako dia ho tonga Fitiavana aingakaingana kokoa ianao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Izaho no fiarovanao

2A_15: Ry bitikako, avia mifitsaka eto an-tsandriko ianao. Izaho no fiarovanao, ekeo ireo fihetseham-po manambara tahotra izay ao anatinao amin’izao fotoana izao; ilainao ireny mba hijanonanao ao anatin’ny fanetre-tena sy ny fahatokisana tanteraka fa eo ampelan-tànako ianao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
Ny fihetsikao manoloana tranga

2B_10: Anaka, ny fihetsikao manoloana tranga mahafaly na mampalahelo iray no afahanao mahafantatra raha olon’ny finoana ianao, na olon’izao tontolo izao. Raha tsikaritrao fa ao anatin’ny finoana ny fihetsikao, dia tokony hankasitraka an’ny Ray ianao, amin’ny fiderana sy ny fisaorana Azy amin’izany tombotsoa izay ataony aminao izany mba hatsapanao ny asany amin’ny alalanao.
Share on print
Share on facebook
Share on twitter
Share on pinterest
Share on whatsapp
Share on email
- 1
- 2
- 3
- 4
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany